ARK NETWORK reference.ch · populus.ch    
 

  KOLEJY SAINT-LAURENT AMBOHIMANORO  

 Home  | Contact  

 

 

Rubriques

Liens


Ho an'izay mana-talenta

Sombitsombina tononkalo nalaina tao amin'ny forum wanadoo 

 
Ny omaly mantsy miangatra  
 
NY OMALY MANTSY MIANGATRA  
TSY MBA NOLAZAINY AKORY  
HOE RAHA VAO DILA NY ANDROANY  
DIA AMPIRIMINY HO TANTARA  
INDRAINDRAY VOTAHIRY TSARA  
ILAY TSY VOAVIRAVIRA  
ILAY TSY VITA KIRAKIRA  
NA ILAY ANIO INDRAY NITSELATRA  
NOFY LASA HIKOPAKELATRA  
 
NY OMALY MANTSY NIANGATRA  
IZY ZAY TSY MBA NANANATRA  
IZAY FOMBA HIFIKIRANA NY ANIO  
IZAY TSY HITAMBERINA RAHAMPITSO  
IZY IHANY NO NIBAIKO HOE TADIDIO! TADIDIO!  
SAINGY RAHA MITODIKA ANY IANAO  
DIA NY ANDROANY LASA ANIO!  
ARY RAHA TE HAMIKOTRA NY ANDROANY  
DIA IZY EO MIANDRY IHANY  
 
NY OMALY MANTSY MIANGATRA  
TSY RESY TSENTO TSY RESY ANATRA  
TSY HITSETRA NA HITOMANY  
FA IZY HITOMBO DIA HATRANY!  
 
 
NY OMALY MANTSY MIANGATRA  
TSY NOLAZAINY TAMIN'NY ANATRA  
FA NY LASA TSY FILAMATRA  
KA HO LOZAN'NY TSY NAHAY NANIRINA  
KA NANOKATRA IZAY NIPIRINA  
FA SATRINY AZA HIKAROK'AZY  
NA ONTSA IANAO NA MAMAZIVAZY  
 
FA TSY NOTENENINY MIHINTSY  
HOE NY TSIARO TSY HITSITSY  
FA HIKIKY NY TAHIRY  
INDRINDRA HO AN'IREO MIKIRY  
MITAKY NY TSIARO NAHAVATRA MANONTANY  
SY NANOKATRA VILANY  
KA RAHA TRATRANY EO HISANROGOTANY  
AMPISEHOANY NY HAROMONTANY  
IVOAHANY HIVAROTANY  
NY OMALY IZAY TOMEFY  
TSIARO , NGITAKA IHOAM-PEFY  
AMPIHIVINGIVINA HANAMAMO  
HAMPIKOBANA NY RANO  
KA IZAY MANAIKY NY NAMAMONY  
TSY AHITA TORY INTSONY  
 
KA N'INON'INONA HATANJAHANA  
Z'INONA IZAY NIFANARAHANA  
NY MAHAMAY MAHAMAIKA...  
DIA IZAY AHITANA PAIKA  
HANAKIFIKA TADIDY  
HANAKATONA SY HANIDY  
HANAMPIRIMANA HO TANTARA  
ZAY EFA VOTAHIRY TSARA!  
SATRIA IZAY NO SISA NO ENTI-MIADY  
TSY AHATORAVANA ... TSY AHATSIAROVANA  
ILAY OMALY VOAKITIKA  
MODY KELY MODY BITIKA  
ANEFA MAHARAKOTRA MAHASAVIKA TONTOLO  
MAHAVITA MANANYGOLY SY MANA-BOBONGOLO  
MAHAVITA MAMOSAVY  
NY ANDROANY ,NY HO AVY  
RAHA TOA SENDRA MISY MIANGAVY!  
 
ILAY OMALY MANTSY MIANGATRA  
SADY SARO-MPIARO AMIN'nY LASANY  
KA MAMPIJALY NO LAHASANY!  
 
Ndremahery RAZAFINDRATSIMA .  
Mai 2005  
 
 
ILAY OMALY BE FIANGARANA  
IZAY NAMPILATSA-DRANOMASO  
TSY NISY FITSAHARANA  
BE LOATRA IREO ANKASO  
 
ILAY OMALY IZAY NANDRAVA  
NAMOTIKA NY HOAVY  
NANDENA IRETO TAVA  
NY RANOMASO TSY NISAVA  
 
ILAY OMALY FITARAINANA  
FENO ALAHELO FIJALIANA  
NAHALASA NY FISAINANA  
NY NIHAFARAN'IREO OLO-TIANA  
 
ILAY OMALY NITAHIRY  
FAHATSIAROVANA AO AM-PO  
IREO FITIA IZAY MBA NITSIRY  
DIA NADABONY AVOKOA  
 
ILAY OMALY IZAY NANDETIKA  
IREO OLON-TIANA NOLALAINA  
TSY MBA LANY TETIKA  
MILA HANONGOTRA NY AINA  
 
VOARY  
 
 
 
Hariva mampanembona ny lalana nodiavina  
Hariva mahamanina ilay olona notiavina  
Hariva toa mamoha ny fahiny nitsikiana  
Hariva maharomotra ny tontolom-pahoriana  
 
Hariva manakora ny fo misento lava  
Hariva manatsafa ny fanjombon’ito tava  
Hariva toa manery ny saina hanontany  
Hariva hitondra alina hanarona ny tany  
 
Harivan’olon-drery ilay nilaozan-kavana  
Harivan’olon-dresy tototra fandavana  
Hariva toa nampita ny vetso ho any ampony  
Dia ny fon’ilay tiany tsy ho hitany intsony  
 
 
Vola 
 
 
MIADY IRERY  
 
NY HARIVA MENA MASOANDRO  
AHATSIAROVAKO NY ANY  
IZAHO IRERY SISA AN-TANY LAVITRA  
MALAHELO MITOMANY  
 
MAHATSIARO NY FAHINY  
TEO ANILAN-DRAY SY RENY  
NEFA KOSA ANKEHITRINY  
TENA EFA MIADY IRERY  
 
cradle.1999. 
 
 
Fo nitempo  
 
Vao nitraka aho ka sendra ireo masonao baliaka  
Dia injay anatikao reko midoboka sy mihika  
Tsy afa-nanadino intsony, na ny tsikinao malefaka  
Na ny teny nataonao mora sy mipetrapetraka...  
 
Kanefa tsy haiko hofaritana ilay endrikao lalaiko  
Fa ny masonao ihany no tsy afaka ato an-tsaiko  
Tsy tsaroiko ihany koa izay tena resatsika  
Fa ny tena ato andohako dia ny toetranao sariaka  
 
Zary vitako an-kira izay rehetra nosahaniko  
Ny adintsaina niandry ahy lasa tsy nisy dikany amiko  
Ny tena nampijaly ny aiko dia ny niandry ilay fotoana  
Nifanomezantsika ny saiko: any foana any foana  
 
Vao maraina aho dia niomana nanamboatra ny tarehy  
Nandamina ny rehetrarehetra, toa manahy, toa mihomehy  
Izay angamba ny andro tsara sy mafy indrindra teto antany  
Satria nahatsiaro ho tiana nefa tsy hay izay hiafarany  
 
 
 
Tsy holazaiko eto akory izay tohin’ny tantara  
Fa samia maminany, ny hevitra mizarazara  
Ny hany ambarako dia izao: ny tantara dia miverina  
Fa ny tantara tsara indrindra dia izay tsy nisy nenina.  
 
Vola 
 
Tsimbalivaly ho an'i Vola  
 
Maminany hoy ianao ...  
 
Maminany ....  
 
Mba sambatra ianao  
Nahare ny fo nitempo  
Mampigadona ahiahy  
Misalotra fanahiana sy hafaliana...  
 
Satria sambatra ianao sendra maso mibaliaka  
Loharano-ndresaka tsy... lany tsy hafanaina tsy mangatsiaka !  
Ka Mihira anaty... mikiakiaka ...  
Namatotra an-tadidy ny tsikiny tsy nifemaka  
Sy ny teny fiangolany milanto ho lemademaka...  
Sambatra ianao ...  
Sendra avana nitsidika namelatra ny harenan-kafaliana...  
Sakaiza tia mamangy an'ireo tia sady tiana ...  
 
Sambatra ianao tsy namaritra ny bika  
Tsy nifidy na nividy izay bika sy tarehy  
Fa nitia fanahy sariaka  
Sy nanaiky ho resilahitry ny fitia hifankahita  
 
Efa sambatra aho toa anao satria tsy nibaby fanenenana  
Fa niaina OMALY ilay tantara ahiako tsy hisy fiverenana....!  
Sambatra aho hatramin'izao !  
Saingy tretrika aho raha tahak'anao  
Tsy ahita ny andro izay nitsidika  
Fa hilomano ambahidanitr'hafa...  
Tsy te hidina ety an-tany ...  
Tsy te hieritreritra izany ...  
Saingy ...lasalasa saina ihany...  
Satria tia...sady tiana ... "nefa tsy hay izay hiafarany "  
 
N. Razafindratsima 
 
 
Tsy ny endrika amiko no tena zava-dehibe,  
Na ny fitafy lafo vidy sy ny fiara maro be  
Tsy ny bika tsara rafitra sy ny haingo mety hanaitra  
Tsy ny toetra feno hambo sady matin’haitraitra...  
 
Fa na bado aza ianao, nefa vonona hianatra  
Raha avo noho ianao aho dia vonona hampiakatra  
Raha rovi-damba ianao, handrombinako ny ahy  
Fa ny fitiavanao dia ataoko ampy ahy  
 
Na dia banga aza ianao kanefa tia mitsiky amiko  
Ny endrikao sariaka dia efa harena tsy hindramiko  
Na malemy aza ianao raha nahay niantso ny foko  
Dia vonona aho hizara aminao ny herimpoko  
 
Fa sambatra aho raha tena tojo izany fitiavana  
Tsy misy tetika ambadika na nohon’ny patsa dia hoe havana  
Na honon’ny hatsaran-tarehy sy ny haranitry ny saina  
Fa izany rehetra izany diaa mety ho very maina  
 
Fa ny fitiavana madio dia mizara hafaliana  
Miara-miombona alahelo raha sendra fahoriana  
Miara-miatrika ny ho avy sy miaraka mihary  
Mifanohana lalandava sanatria tsy mifanary  
 
Vola 
 
 
I Tata no nampatsiaro antsika an'ito :  
 
"Any andro, any taona 
Horaisinao ilay taratasy 
Nifanaovana fotoana 
Fony tany an-dakilasy. 
 
Taratasy tsy dikany, 
Tailana tsy misy bikany 
Fa ny zavatra raiketanany 
Hainao ho'aho ny dikany 
 
Vao manokatra azy ianao 
Dia mitamberina eo daholo 
Toy ny sintosintom-bolo 
sy ny sangisangy izay natao..." 
 
Sampana Kolontsaina tao Ambohimanoro: taona 1979 
 
 
 
TONONKALO NOFORONIN'I BAKO MARS 2005, HO TOHIZANA TSIKELIKELY. MIALA ANY AMBATONDRAKOTO ALOHA DIA MIAKATRA AO ANKORAHOTRA DIA VITAINA ANY AMBOHIMANORO 
 
Tao Ambatondrakoto 
No nahalalako an'i Rakoto... 
Betsaka sy maro izy ireo 
No nitsoka sodina sy manga feo 
 
Tao ry Nirina, Arisoa, Malala 
Tena vonona tsy nisalasala 
Tsy adino koa ry Be, Son, Arimanana sy Miandra... 
Tonga tsy nihambahamba fa dia niakatra an-kianja 
... 
 
Izay aloha ny anio fa tohizana miadana eny rehefa tonga ny hainga-panahy. Bako 
 
 
 
Tononkalo tamin'ny classe de 6ième ; tsiahy i Valery Rakotoarisoa Harimbola Valery 
 
"Raha voaverinao ilay efa bobongolo, 
Raha voadionao ilay efa kilahotohoto, 
Ny fikirizanao, ekeko eny ekeko,  
Mitomban-dahy ianao..." 
 
 
 
 
HOMMAGE AU LUNDI DE PENTECOTE 
 
quel joli poème... 
 
Cher lundi de Pentecôte, 
Bientôt, tu n'auras plus la cote 
Car, pour tous les salariés,  
Tu seras plus férié ! 
Tu seras même supprimé 
Nous devons te sacrifier, 
Sous prétextes de solidarité 
Avec les personnes âgées. 
Elle a bon dos la canicule 
Pour nous faire avaler la pilule : 
Travaillons ! Travaillons !  
Et des taxes, de plus en plus, nous aurons. 
Nous aurions dû descendre dans la rue, 
Pour défendre ton statut... 
Mais tout le monde s'est tu 
Car plus personne n'y croit plus :  
Ni travailleurs, ni syndicats 
Ne font désormais le poids 
Face au pouvoir du patronat 
Qui fait ce qu'il veut de l'emploi. 
 
Il eût été plus populaire 
De donner 1 de vos salaires 
Messieurs les Ministres et Députés 
au lieu de nous culpabiliser 
En nous disant : " Trop de loisirs, 
ce n'est pas bon pour l'avenir ! " 
 
Nous n'irons plus au bois 
Nous promener ce jour-là 
Mais dans les usines et les bureaux, 
Nous irons bosser le coeur gros ! 
Nous ne pourrons plus maintenant, 
Rendre visite à nos parents, 
Eloignés par la distance, 
Dans un joli coin de France ; 
 
Vous, qui avez cette idée, 
Messieurs les Députés, 
Avez-vous donc pensé 
A toutes ces personnesâgées 
que leurs enfants pouvaient retrouver 
Lors de ces week-end prolongés ? 
Ce sera fini désormais ! 
Et ne soyez pas étonnés 
Qu'il y ait un jour, un revers 
A cette décision arbitraire 
A vouloir tout casser, 
A ne plus rien respecter, 
Il est possible et je l'espère 
Que vous récoltiez tout le contraire 
De ceque vous attendez 
En supprimant ce jour férié ! 
 
Il nous reste l'espoir encore 
Que l'Esprit (de Pentecôte !) souffle très fort 
Et vousramène à la raison 
En nous laissant à la maison. 
Toi qui existais depuis des années 
Si vraiment tu disparais 
Sache que nous t'aimionsbien, tu sais 
Ô lundi de Pentecôte, désormais,  
Nous ne penserons plus à toi avec le sourire 
Car, de toi, il ne nous restera que des souvenirs. 
... 
 
 
 
BONNE FETE MAMAN 29 mai 2005 
 
Poême pour Bebecathia de la part de sa fille 
 
 
Parmi toutes les mamans  
Tu es la plus jolie  
Pour moi, tu as du cran  
Tu es ma meilleure amie  
Une amie, moins qu'une mère.  
Tu es devant, et pas derrière  
Et sur toute la terre  
Nulle mère, n'est plus gentille que la mienne  
Car, en mon coeur  
Pour elle, je suis détachée de mes chaines  
Et otée de mes peines.  
BONNE FETE MAMAN  
 
 
 
 
Lettre à mon pays ! 
 
Madagascar, mon île, ma terre ! T'es grande, t'es belle, tu sais ! En plus, t'es riche et tellement convoitée. T'es unique ma grande ! Une perle dans cette immensité de l'Océan indien et même de l'Afrique ! Ils avaient beau avoir tenté et de piller tes richesses, ces colonisateurs. Et leurs remplaçants des trois républiques qui n'avaient fait que t'endetter à leur profit. Mais t'es restée la même, mon île ! Toujours aussi courtisée de par tes richesses intarissables (?), pour ne citer que quelques unes ; dont tes cerveaux qui s'évadent ; et tes bois ; tes lémuriens... jusqu'à tes grenouilles qui s'exportent... T'es rarissime, ma belle île à tel point qu'en ce troisième millénaire, le monde entier veut avoir ou posséder au moins une petite partie de toi, ne serait-ce que dans ses musées et zoos (...)  
T'as de ressources, ma patrie, pour être encore ce que tu es malgré toutes les vicissitudes endurées (...) Souris donc, ô mon pays bien-aimé ! Au moins ton nom n'est plus dans le "club des Très endettés" grâce à l'action de ton peuple, tes fils, qui ont tout sacrifié, même "leur ventre, sans perdre leur âme", démentant ainsi que "ventre affamé n'a pas d'oreille". Pour que toi, Madagascar, ma patrie, ne fasse plus de cette "Infâme PPTE" que tu n'aurais dû jamais connaître sans quelques uns de tes fils "éminents dirigeants d'antan" qui avaient cru t'aimer alors qu'ils n'aimaient qu'eux- mêmes.  
Quoi qu'il en soit, ma patrie, mon île mère, t'es toujours riche, sinon on ne te fera pas ces avances. Sinon ces autres nations ne rivaliseraient pas pour t'avoir, à force d'aides, dons et autres yeux doux. Car tes vraies richesses résident dans la sagesse de ton peuple qui, jusqu'à maintenant, subit en toute confiance et patience les mesures combien douloureuses et à la limite du supportable pour ton "désendettement", pour un avenir meilleur. Sans oublier et non le moindre de ton unicité, ta culture, ce "Fihavanana endémique" qui stérilise toutes les graines de division semées un peu partout par certains... Quelle nation ne t'envie pas ? Il n'y a pas à dire, ma terre, t'es "sacrée" ! 
Madagascar, mon île, t'es tout, t'as tout, mais "t'as rien" tant que ton peuple vit et reste... pauvre ! 
 
 
 
 
 
 
 
 
 
 
 
 
 
(c) Bakovelo Randrianomanana-Ramaromanda - Créé à l'aide de Populus.
Modifié en dernier lieu le 22.01.2006
- Déjà 219 visites sur ce site!