ARK NETWORK reference.ch · populus.ch    
 

  KOLEJY SAINT-LAURENT AMBOHIMANORO  

 Home  | Contact  

 

 

Rubriques

Liens


Vaovao samihafa

22/01/2006 
FIHAONANA NIARAKA TAMIN'NY TALE MIVADY NY ASABOTSY 21/01/06 TAO PARIS 
 
Tatitra avy amin'i Fara Webmaster http://www.eslaambohimanoro.com 
 
Ny fihaonana tamin'ny tale Ambohimanoro, Mr Eugène Razafindratsima mivady teto Paris. 
 
Ny nanatrika tao, Fara, Romain, Richard, Nicolas 
 
Ny niala tsiny fa tsy afaka sy tsy tratra antso, Bako, Sandratana, Andy, Roland, Anita, ireo izay any amin'ny provinces, ireo izay tsy afaka namonjy ny fotoana vao maraina satria lavitra.... 
 
 
 
Ny resaka nodinihina tao: 
 
Fisaorana lehibe nataon'ny tale ho antsika na ireo izay any an-toerana, na ireo izay am-pitan-dranomasiana., tsy nanadino ny sekoly nahabe, ny fanohanana, sy ny fanampiana nataontsika, taorinan'ny nitrangan'ireo hain-trano tao amin'ny sekoly. 
 
Tatitra momba ny kilasimandry izay may tamin'ny 25 septambra 2005: efa eo an-dalam-pahavitana ny trano. Noho izy "classé patrimoine de l'état" dia nahazo fanampiana tamin'ny fanjakana tamin'ny fanarenana azy. 
 
Ny momba ny tranobe ao Ankorahotra izay may tamin'ny16 Novambra 2005, hatramin'izao moa dia mbola misy enquête ny tamin'ny nahamay azy satria tsy fantatra mazava ny nahatonga azy.  
 
May tao avokoa ireo fitaovam-pianarana rehetra, ny dadilio, birao, ny solaitra be sns.... 
 
Ankehitriny dia voatery narodana ny trano, satria noho ny fisian'ny orana dia lasa loza ho an'ireo mponina manodidina, ka ny tapany ambony no vao narodana.  
 
Ny fitsinjaran'ny kilasy ankehitriny, kilasy 6 moa izany no tsy ampy, dia voatery nozaraina roa ny salle de classe sasany. 
 
Ny fanamboarana ny tranobe ao Ankorahotra dia miankina amin'ny sekoly, efa betsaka ny fangatahana fanampiana natao, tamin'ny fiangonana Anglikana any Madagasikara, ny fiangonana Anglikana eto Paris moa dia efa nanao rakitra indroa ho an'ny sekoly, ary mbola hanao fangatahana ihany koa any amin'ny foibe any Grande Bretagne, dia ao koa moa izany izay mba azon-tsika maintimolaly hatao, ka dia miantehetra ny tsirairay mba hampita ny resaka. 
 
 
 
Ny ezaka tiana atao  
 
Na dia ao aza ny tsy fahampiana ara-pitaovana ao amin'ny sekolin-tsika, dia azo lazaina fa mahafa-po ihany valim-panadinana, 30 isan-jato no afaka bac tamin'ny 2005, izay tsy mifanalvitra amin'ny sekolim-panjankana ( 40 isan-jato). 
 
Ka ny ezaka dia ny hanatsarana ny fampianarana, hampahafantarana ny sekoly, mba ahazoana mpianatra maromaro, satria ankehitriny dia eo amin'ny 300 eo ny isan'ny mpianatra. 
 
Ka hitantsika amin'izany fa kely ny vola miditra, ka tsy afaka mihitsy ny hanatsara ny sekoly, dia izay no hilàna antsika maintimolaly mba hanao fikambanana, ka hanaovan-tsika zavatra mba entina hanampiana azy, mba ahazoany fitaovam-pianarana. 
 
 
 
Ny resaka hafa 
 
 
 
Niorina tamin'ny taona 1871 ny sekoly Saint-Laurent Ambohimanoro ka mikasa ny hankalaza ny faha 125 taonany, maro ireo médaille izay ho zaraina ho an'ireo mpiasa sy mpampianatra amperin'asa toa an'i ( Mr Rajohns). 
 
 
 
Ny fiaraha-miasa amin'ny fikambananan'ny fiangonana Anglikana eto Frantsa, maro ihany koa ireo mpianatr'Ambohimanoro ao. 
 
Mikasa ihany koa ry zareo ny hankalaza ny faha 20 taonany, ka ny faniriana dia miara manao zavatra amin-dry zareo. 
 
 
 
Niafara tamin'ny fiarahana nitsakitsaky moa ny fotoana.
 
 
Août 2005 
 
- Ny vaovao hafa moa dia tsy ho ela dia handeha retraite i ramose Ndriana, raha misy dia misy sy sitrapo'Andriamanitra dia herintaona, mahafianritra ary misaotra azy indrindra tamn'ny nanao guide sy namela nitsidika ny salle sy ny fianarana, namela naka sary, nanao fikarohana ny archive sy natao interview 
ramose Rajohns moa dia asa raha fantatrareo fa dia tsy salama izy marary gouttes angamba izay, ka ny tanany havia dia efa malemy sy mandringa fa mbola tsy miova rehefa miresaka aminy, ta,tarainy daholo ny souvenir, miaraka mihomehy tsy adino ny top là 'raiso ny dimy), tena fiomezana ny anay niaraka taminy dia mampamangy an'ny rehtra hono dia aza adinony mamamgy andry zareo, ao Ankorahotra ao daholo no mipetraka, ao ambony ny bureau d'economat i Rajohns, ao aoriana ramose Ndriana sy germain, Hanta mivady ; dia eny ambomanoro be ry Zozo sy Seta eo an'ilay trano ankavia vao miditra ny fianarana, ao amin'ny fandoavana écolage fahiny e 
 
 
 
 
-Rehefa tonga teny antoerana teny Ambohimanoro izahay mpianatra taloha : Hanta, Fetra, Lanto, Bako,Liva, Norolanto, Setra... sy niara nidinika tamin'ny ramose Ndriana, Zozo, Seta, ny tale ankehitriny, Germain ary ireo mpanao volley dia hita fa mila fanampiana be dia be sy fanamboarina ny sekolintsika, koa mandray antanandroa izy ireo izay atolotry maintimolaly sy ny mpianatra taloha, maniry ry zareo raha misy association aty ampita andranomasina ny mpianatra taloha ary indrindra raha afaka manampy azy isika 
ny zavatra maika dia ny ao salle de classe : mila rafraichiser ny loko ao andakilasy, ny ampoules dia betsaka ny maty, mila ordinateurs ny mpianatra, ny bureau, mila fanamboarina ny cours de récréation : tobogan, balancoire ny ao ankorahotra io satria lasa misy ecole primaire de 12 ième ka hatramin'ny 9 ieme tao 
43o afaka BEPC tamin'ity taompianarana ity, izany hoe azo lazaina tsara ny vokatra azo hoy ny mpampianatra tao 
Ankorahotra izany dia classe de 12 ième ka hatramin'ny 4ième no ao ary eny ambohimanoro dia 3 ième - Terminale 
Mihena be ny mpianatra fa tsy ohatra ny teo aloha 
ny trano misy ny kilasy mandry dia mila ravaler koa 
mivoatra be ny manodidina ny fianarana ary ireo trano misionera dia voaloko mena daholo, misy restaurant be eo akaiky ny miakatra ny fianarana ambohimanoro, ary ny trano pazzapa dia eo akaikiny koa.Azo daholo ny liste ny professeur 
izay aloha ny vaovao fa ny sary manaraka indray 
 
 
- Tafaverina soa amantsara eto France i rom"s rehefa nijanona 10 jours tany Dago, koa nitondra sary vaovao izay nalainy le 09/02/2005 ; ho hitantsika tsy ho ela ny sary ao album. Misaotra anao Rom's. 
 
- Betsaka isika amin'ny izao fotoana izao no mahazo vaovao an'ireo namana sy tapaka izay efa 30 ans. 20 ans, 10 .....1 ans no tsy nihaona. Izany moa dia amin'ny vokatry ny forum wanadoo sy ny site Ambohimanoro. koa ho tohizana ny ezaka ataontsika tsirairay avy. 
 
androany 18/02/05 dia nifindra ny forum mikasika saint laurent ambohimanoro, tsy hitanareo ao amin'ny avis de recherche intsony fa ao amin'ny communautés indray dia mampirisika antsika indray hanohy ny resaka mafana sy hilaza vaovao indray 
mazotoa e 
 
- ity ny site RNS raha hijery ny fandehan'ny lalao mahafinaritra any : www.rns-cen.com. 
 
Ce 28/02/20058 
afaka mameno an'ireo anaranana ny mpampianatra isika rehetra dia dia be ny tsy tadidy, aiza ve dia surnom daholo no tadidintsika fa andao mba hiezaka mba asiana nom, io moa dia alalan'ny mail ihany no alafanreo aty @ Bako 
 
Misy souvenir vaovao koa ao 
 
Aza misalasala ary isika fa dia holiana izay mitsidika ao 
 
Androany faha 21 marsa 2005 
 
Miampy indray ny souvenir sy ny sary ao amin'ny album 
 
01/04/2005 
 
Nihaoana tany Vichy izany ireto olona ireto : Romains, Bako, Jiva, Mparany niaraka tamin'ny vady aman-janaka 
Ny nataonay moa dia ny fankahalalana sy ny fifankahitana ary koa niresaka momba ny maintimolaly sy ny site 
Tsy omeo tsiny moa fa nahafinaritra ny lalao tamin'ny week end iny ka be no tiana jerena sy niady be daholo ny baolina ka samy namonjy ny mahaliana azy 
Na dia izany aza samy faly fa tafantsangana ny site sy maintimolaly fa dia mankahery ny rehetra mba hitohy sy ny faniriana dia ny hihaonatsika mianakavy 
Misy sary ao album 
Bako 
 
Androany faha 12 avril 2005 
recensement mpianatra 
efa ho 20 izao ny mpianatra nisoratra ato amin'ny site. 
Maniry antsika mba hisoratra anarana mba hahfantarana ny mianatra izay aty ivelany na any antoerana 
 
28/04/2005 
 
Mitombo ihany ny mpianatra tonga mitsidika ny forum sy ny site ka hisaorana daholo isika mpandray anjara 
Misy takelaka voa nisokotra io takelaka HAISORATRA MALAGSY, izay hitanao ao ny diksionera malagasy, ny haisoratra, ny mpanoratra boky "écrivains"... Ary koa misy tantara kely ny Tale ntsika Rakotovao Martin 

(c) Bakovelo Randrianomanana-Ramaromanda - Créé à l'aide de Populus.
Modifié en dernier lieu le 22.01.2006
- Déjà 221 visites sur ce site!